<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>50</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mifohaza, ry matory ,
 Fa re ny feon'ny Mpamory
 Miantso izao tontolo izao !
 Miangà, ry vovontany,
 Fa he ! Jesosy avy any
 An-danitra hitsara anao.
 Ry mbola velona !
 Ry ao am-pasana !
 Mitsangàna !
 Miandrandra ny lanitra,
 Fa ny atý dia tapitra.

[V2]
 Kristy Tompo avy any,
 Ka dia mangovitra ny tany
 Fa be ny voninahiny.
 Na ny ratsy na ny tsara
 Hanatrika ilay Mpitsara,
 Miandry ny anjarany
 Zarainy roa izao
 Ny tafavory ao ;
 Ka ny tsara
 Horaisiny ao Aminy,
 Ny ratsy dia ariany.

[V3]
 Jeso ô ! izahay mifaly,
 Na dia be ny mampijaly
 Sy mahaketraka atý ;
 Hianao mahay manova
 Ny fahorianay ho lova
 Mahafinaritra erý.
 Ry fasa-maizina ô !
 Ry fahavaloko !
 Aiza moa ny herinao,
 ny sabatrao ?
 Jesosy no Mpandresy izao.</lyrics>
<title>Mifohaza ry matory fa re ny feon'ny Mpamory FFPM50</title>
<author>Ph. Nicolai</author>
</song>